An open API service indexing awesome lists of open source software.

https://github.com/rasolofonirina/quotes-gasy

Quotes Gasy aka QG dia mitahiry quotes-na malagasy nalaza na malaza.
https://github.com/rasolofonirina/quotes-gasy

gasy hacktoberfest hacktoberfest2022 madagascar malagasy qg quote quotes quotes-gasy

Last synced: 9 days ago
JSON representation

Quotes Gasy aka QG dia mitahiry quotes-na malagasy nalaza na malaza.

Awesome Lists containing this project

README

          

# Quotes Gasy aka QG

JSON mitahiry ireo "quotes" na "citations" malagasy (malaza na tsia).

## Hampiditra quotes

Raha hampiditra "quotes" vaovao dia araho ito toromarika ito:

1. Manaova `Fork` ka tsindrio ilay bokotra volon-davenona amin'ny farany havanana mifanitsy amin'ny anaran'ilay `repository`
2. Alaivo ho ao amin'ny "ordinateur"-nao ilay `Fork` teo amin'ny alalan'ny `git clone`

3. Mamorona `branch` vaovao ohatra `git branch modif1`

4. Mifindrà ao amin'ilay `branch` vao noforoninao teo `git checkout modif1`

5. Sokafy ilay `quotes.json` ary jereo sao efa tafiditra ao ilay tianao ampidirina.

6. Ampitovio amin'ito ohatra ambany ito izay ampidirinao ary ataovy eny amin'ny farany ambany amin'ilay `quotes.json`

```
[
{
"name": "Ra Force",
"quotes": [
"Amin'azy amin'azy"
]
},
{
"name": "Andry Nirina Rajoelina",
"quotes": [
"Velirano no ataoko aminao ry vahoaka malagasy fa ..."
]
},
{
"name": "Marc Ravalomanana",
"quotes": [
"Faly aho, tena faly aho"
]
}
]
```

Efa natao `array` ny `quotes` ka raha toa ka efa manana `quote` ao ilay olona dia eo ambanin'ilay azy farany apetraka izay ampianao.

7. Tehirizo ny fanovana nataonao.

8. Manaova `commit` hanamarihanao ilay fanovana.

9. Alefaso ao amin'ilay `Fork` nataonao ilay fanovana.

10. Manaova `Pull requests` ao amin'ny [https://github.com/rasolofonirina/quotes-gasy/](https://github.com/rasolofonirina/quotes-gasy/)

## Fanamarihana

- Ialao ny fanoratra SMS.
- Mba tsy ahasarotra ny fanekena ny `pull request` izay ataonao dia manaova foana `git pull` mialohan'ny handefasanao azy.

## Fanatsarana

Alohan'ny handefasana ny fanovana makany amin'ny `Fork` dia tsara raha atao manaraka ny alfabeta ny lisitry ny `quotes` mba hanamora ny fitadiavana teny.

Ahafahana manao izany dia misy `Extensions` `VSCode` maro azo ampiasaina, fa ity iray ity no atao ohatra sy ampiasaina eto : [Sort JSON](https://marketplace.visualstudio.com/items?itemName=Thinker.sort-json)

1. Fomba hakana azy
Sokafy ny `VSCode` dia tsindio ny `(Ctrl + P)` ary adikao ao ity `Commande` manaraka ity

```
ext install Thinker.sort-json
```

2. Fomba fampiasana azy



## Ireo mpandray anjara